VAOVAO MINUTE FLASH 03 NOVAMBRA 2022

-TSENA IRAISAM-PIRENENA – Hisokatra amin’ny 15 Novambra 2022 izao ary hikatoa amin’ny 31 May 2023 ny fotoam-panondranana lavanila efa voavotra.
-FIFIDIANANA – Hitety ireo toeram-piasana amin’ny sehatra tsy miankina ireo olona mpanisa sy mpanomana ny lisi-pifidianana vaovao, manomboka ny talata 15 Novambra.
-FOTO-DRAFITRASA – Hanomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny lalam-be migodana hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina.
-BASKETBALL AFRICA LEAGUE – Fantatra avokoa ireo ekipa mandrafitra ny vondrona F hifanandrina amin’ny COSPN.