– TOETRANDRO – Nahazo filazana loza mitatao ny faritra maromaro any Atsinanana sy afovoan-tany, tany amin’ny 403 Km atsinanana somary atsimo-atsinanan’i Vatomandry no nisy ny foiben’ilay rivodoza Batsirai, tamin’ny 3 ora tolakandro teo.
– FITATERANA AN-TANETY – Niato nanomboka androany tolakandro ka hatramin’ny 5 sy 6 Febroary ireo zotra rezionaly sy nasionaly any amin’ny toerana rehetra mety ho voakasikin’ny rivo-doza Batsirai.
– ANDRO RATSY – Ahiana ho tondraka ny rano anio hariva ao amin’ny faritra Atsinanana raha mitohy mirotsaka ny orana
Efa miakatra ny rano any amin’ny faritra Atsinanan’ny Nosy,
