VAOVAO – MINUTE FLASH 05 MAY 2022

– FISONDROTAN-KARAMA – Nivoaka tamin’ny Filankevitry ny minisitra ny didim-panjakana mametra ny karama farany ambany ho 250.000 ariary sy ny handoavan’ny Fitondram-panjakana ny ampahany amin’ny fampiakarana karama
– FAMPANANANA ASA – Mivory sy mikaon-doha eny amin’ny CCI Ivato nanomboka androany hatramin’ny rahampitso ireo tanora solontenan’ny faritra 23
– FOTODRAFITRASA – Tsy misy hidiran’ny resaka politika ny fahataran’ny fanombohan’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-13, araka ny nambaran’ny Vondrona eoropeanina