VAOVAO – MINUTE FLASH 11 JOLAY 2022

– VALANARETINA – Roa no maty ary 311 ny tranga vaovaon’ny covid-19 ny 2 hatramin’ny 8 Jolay 2022.
– FITATERANA – Nampiakatra saran-dalana avy hatrany 4 000ar hatramin’ny 20 000ar ireo zotram-pitaterana nasionaly taorian’ny fampiakarana ny vidin’ny solika.
– MARI-PANKASITRAHANA – Mpiara-miasa 70 mahery avy ao amin’ny Inviso Group no nahazo mari-boninahitra ho fankasitrahana ny asa vitany sy ny faharetany teo amin’ny vondron’ny orinasa
– BAOLINA KITRA – Nihazo an’i Afrika Atsimo omaly alahady sy androany alatsinainy ny Barea hiatrika ny Cosafa Cup