VAOVAO – MINUTE FLASH 11 MARTSA 2022

– LOZA VOAJANAHARY : Mihoatra ny 200 ireo namoy ny ainy taorian’ny fandalovan’ireo rivo-doza nisesy teto Madagasikara nanomboka ny volana Janoary teo
– FITATERANA : Handray ny fitarainan’ireo mpandeha hiharan’ny herisetra ireo mpanamarina zotra eny amin’ny fiantsonan’ny taxibe
– TAFIKA : Mpianatra ho manamboninahitra iray no namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy taorian’ny fipoahana nandritra ny fanazaran-tena fampiharana tany amin’ny Akademia miaramila, mpampiofana sy mpianatra ho manamboninahitra enina no naratra