VAOVAO – MINUTE FLASH 12 NOVAMBRA 2021

– TONTOLO IAINANA : Nanangona volavolan-kevitra ireo manampahaizana avy amina sehatra samihafa ho fanomanana ny fihaonana iraisam-pirenena mikasika ny « karazan’aina sy fahasalamana » izay ho tanterahina any Mahajanga ny 19 hatramin’ny 21 Novambra
– FIFIDIANANA : Tiana Ifanomezantsoa Randrianarivonantoanina ihany no nofidian’ireo mpitsara eo anivon’ny Fitsarana tampony hisolo tena azy ireo eo anivon’ny CENI
– VAROTRA : Simenitra 35 000 taonina nafaran’ny State Procurment of Madagascar entina hamahana ny olan’ny fiakaran’ny vidin’ny simenitra no tonga tao Toamasina