VAOVAO – MINUTE FLASH 14 FEBROARY 2022

– TOETRANDRO – Any amin’ny 524 Km avaratra-atsinanan’ny nosy Sainte-Marie no nisy ny foiben’rivodoza Dumako tamin’ny 4 ora tolakandro teo izay mitondra rivotra 75 Km/ora arahina tafiotra 105 Km/ora.
– VALANARETINA – Nisy fihenana ny isan’ireo lavon’ny coronavirus sy ny isan’ireo marary vaovao teo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 11 Febroary.
– FIFANDRAISANA AMIN’NY ANY IVELANY – Hanatrika ny Fihaonana an-tampony eo amin’ny Vondrona afrikana sy ny Vondrona eoropeanina any Bruxelles ny 17 sy ny 18 Febroary ho avy izao ny Filoham-pirenena sy ny ministry ny Raharaham-bahiny.