VAOVAO – MINUTE FLASH 14 NOVAMBRA 2022

– FOTO-DRAFITR’ASA – Notokanana androany ny Ivotoerana vaovao andraisana ireo ankizy latsaky ny 18 taona iharan’ny herisetra.
– VALAN’ARETINA – Tranga vaovao 71 ary marary manana fahasarotana telo no antotan’isa farany mikasika ny coronavirus navoakan’ny minisitran’ny Fahasalam-bahoaka.
FANATANJAHATENA – Nifarana hatreo ny fiatrehan’ny Akio vehivavy ny fiadiana ny Amboaran’ny Afrika amin’ny handball raha niondrika teo anatrehan’ny ekipan’ny Côte d’Ivoire tamin’ny isa 14 no ho 40.
TAFIKA – Najoro eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny rafitra fanaraha-maso anatiny.