VAOVAO – MINUTE FLASH 15 NOVAMBRA 2021

– ANGOVO – Hidina hatramin’ny 230 ariary amin’ny sandan’ny vola malagasy ankehitriny ny hividianan’ny Jirama ny herinaratra 1kWh amin’ny mpanangana sy mpanodina ny tohadranon’i Sahofika
– FAMATSIANA RANO : Tokony ho tonga androany alatsinainy hariva any an-tokantranon’ny mponina ao Fianarantsoa ny rano
– BAOLINA KITRA – Nanao ady sahala iray noho iray ny Barea sy i Tanzanie, tapitra hatreo ny lalan’ny Barea ho an’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany