VAOVAO – MINUTE FLASH 19 JOLAY 2022

– FANADINAM-PANJAKANA – Niakatra ny taham-pahafahana BEPC manerana ny Nosy ho an’ny taona 2022 raha oharina amin’ny vokatra tamin’ny taon-dasa, hoy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena
– FIAKARAN’NY VIDIM-PIAINANA – Miantso ny fifanohanana manoloana ny ady sarotra ara-toekarena sy ara-tsosialy lalovan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao ny Fivondronan’ny Fiangonana kristianina
– BAOLINA KITRA – Voantso hanatevina ny Barea amin’ny lalao hifanandrinana amin’i Seychelles amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tompondakan’i Afrika CHAN 2023, i Nina sy i Dax ary i Berajo.