VAOVAO – MINUTE FLASH 21 APRILY 2022

– FAMPIANARANA AMBONY : Hanatanteraka ny hetsika « oniversite sy toeram-pampianarana ambony ary foibem-pikarohana nasionaly maty » indray ny Seces, sampana Antananarivo manomboka ny alatsinainy 25 Aprily izao
– COVID-19 : Vakisiny 800 000 fatra no tsy maintsy nariana noho ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-mitahiry araka ny fenitra takiana
– FITATERANA AN-TANETY : Ho ferana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar manomboka amin’ny 23 Aprily hatramin’ny 17 Jolay noho ny asa fametrahana tara sy fanamboarana ny tetezana