VAOVAO MINUTE FLASH 21 DESAMBRA 2021

VONJY AINA – Velona soa aman-tsara ny jeneraly Serge Gellé sy ny mpikirakira milina taorian’ny fianjeran’ny angidimby tany Mahambo, kolonely roa mbola tadiavina
LOZA AN-DRANOMASINA – Tafiakatra an-tanety ilay sambo rendrika tany Soanierana Ivongo ary razana miisa 13 no hita tao anatiny.
Manameloka ny fikasana hanafoana ny fanapahan-kevitry ny ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga namoaka ny lisitr’ireo orinasa nahazo alalana hanondrana drakaka ny Fiarahamonim-pirenena