VALANARETINA – 31 no tranga vaovaon’ny Covid-19 ny 16 hatramin’ny 22 Aprily, tsy nisy ny aina nafoy
Mbola misy hatrany ny trangana covid-19 eto Madagasikara na dia efa nihena aza izany.
ASA – Nanambara ny Filoham-pirenena fa hiakatra ny karaman’ny mpiasam-panjakana, hisy kosa ny fihaonana amin’ny vondron’ny mpampiasa alohan’ny hamoahana ny didim-panjakana hampiakarana ny karaman’ny sehatra tsy miankina.
TOETRANDRO – Any amin’ny 292km andrefana somary avaratra-andrefan’i Morombe no misy ny ivon’ny rivodoza Jasmine ary vinavinaina hiditra an-tanety ny talata alina na ny alarobia maraina
