– FOTODRAFITRASA – Miverina misokatra amin’ireo fiara vaventy mpitaona entana ny lalam-pirenena faharoa taorian’ny fametrahana tetezam-by teo amin’ny PK 108+600, fidirana eo Moramanga
– FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO – Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona roa voarohirohy nampodiana avy any Comores, noho ilay raharaha volamena 73,5 kilao tany Afrika Atsimo ny faran’ny taona 2020.
– LOZA VOAJANAHARY – 31 no maty ary olona 60.000 mahery no nafindra monina ho eny anivon’ireo toerana fandraisana traboina taorian’ny ora-mikija naharitra folo andro teto Analamanga
