LOZA VOAJANAHARY – Toeram-pianarana miankina amin’ny fanjakana amam-polony eto Antananarivo no mampialoka traboina amin’izao fotoana izao ary mbola tsy voafaritra ny fotoana hiverenan’ireo mpianatra an-tsekoly
FITATERANA – Olona 13 no hiakatra fitsarana noho ny raharaha faharendrehan’ny sambo Francia tamin’ny 20 desambra teo, andrasana amin’ny tapaky ny volana Febroary ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny APMF.
ANGOVO – Tsy ho ela dia hiasa ny tobim-pamokarana herinaratra ao Farahantsana ary afaka hanampy 28 Mégawatts ho famatsiana herinaratra amin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo.
