VAOVAO MINUTE FLASH 27 JANVIER 2023

FIVEZIVEZENA – Niverina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga.
FIHARIANA – Hiara-hiasa hanampy ireo mpanjono an-dranomasina ny ministeran’ny jono sy ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
VONJY – Nahazo fanampiana avy amin’ny UNICEF ireo traboina any amin’ny distrikan’i Maroantsetra noho ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso.
TOETR’ANDRO – Nikasaka eny avaratra andrefan’ny Toliara ilay rivo-doza Cheneso