VAOVAO – MINUTE FLASH 27 SEPTAMBRA 2022

– AKORANAFO – Toby mpamatsy sy mpivarotra solika efatra farafahakeliny no efa nakatona vonjimaika tao aorian’ny fitsirihana nataon’ny Ofisy malagasy momba ny akoranafo
– BAOLINA KITRA – Nomontsanin’i Madagasikara tamin’ny isa 7 noho 1 ny Nosy Seisela tamin’ny lalao miverina fihodinana voalohany amin’ny fifanintsanana ho amin’ny CAN U23
– FANATANJAHAN-TENA – Nanainga nankany Etazonia hanohy fianarana no sady hiofana amin’ny taranja basketball i Lovasoa Andriatsarafara sy i Donovan Rakotonanahary, samy mpilalaon’ny Ankoay latsaka ny 18 taona