VAOVAO – MINUTE FLASH 28 OKTOBRA 2021

– FIFANDRAISAN-DAVITRA – Namoaka hajia vaovao enina ho fanomezam-boninahitra ny mpikaroka Jonah Ratsimbazafy sy ho fanehoana karazan-gidro dimy eto Madagasikara ny Paositra malagasy
– FISOKAFAN’NY SISIN-TANY – Arahi-maso akaiky ireo hotely mandray ireo mpandeha avy any ivelany mandritra ny fihibohana roa andro
– FOTODRAFITRASA – Efa nivoaka tamin’ny tapaky ny volana Oktobra ny tolo-bidy ho amin’ny fanamboarana ny ampahan’ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’Ihosy sy Betroka