VAOVAO – MINUTES FLASH 23/02/2022

TOETRANDRO – Vinavinaina ho nivoaka an-dranomasina androany alarobia hariva tao amin’ny morontsiraky ny faritra Androy ny rivo-doza Emnati
FIARAHA-MIASA – Nihaona sy nidinika tamin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina momba ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Banky iraisam-pirenena sy Madagasikara ny delegasiona avy amin’ny Banky iraisam-pirenena
FANAMPIANA – Nanolotra baolina sy tohan’aina « Koba fenosoa » ho an’ireo tanora mpilalao basket-ball eny amin’ny Akamasoa ny orinasa Inviso