Antananarivo, 23 mars 2020.
Hentitra ny fitondram-panjakana ny amin’ny fampiharana ireo fepetra rehetra entina miaro amin’ny coronavirus. Miasa manomboka androany ny « Centre de commandement opérationnel Covid 19 » (CCO Covid – 19) izay eny amin’ny Mining Business Center Ivato no misy azy. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa hary fomba ny fitaovana ampiasaina hiarovana ny vahoaka malagasy. Nampitandrina ary ny tenany fa hamoahana didy fikarohana na « avis de recherche » ireo mpandeha tokony harahi-maso nefa tsy hita na tsy mamaly ny antson’ireo tompon’andraikitra.













