“Afomanga miavaka no hiseho eto Antananarivo anio 25 jona” hoy ny mpiandraikitra, Commandant Gervais Andriamiharitsoa, Chef de Service des Munitions.
75 metatra ka hatramin’ny 200 metatra ny hahavon’ny afomanga. Hiseho amin’ny endriny maro samihafa ny afomanga anio 25 jona. Haharitra 45 minitra ka amin’ny 07 ora hariva no hanomboka izany raha ny fanazavana azo hatrany.













