Mankalaza ny andro eran-tany ho an’ny poezia, anio 21 martsa, ihany koa ny poeta sy mpanoratra malagasy. Maro ny hetsika nentina nankalazana azy io. Anisan’ireny ny nataon’ny HAVATSA-UPEM teo anoloan’ny Tahala Rarihasina izany nampitondrainy ny lohateny hoe : « Nanao tabataba ». Antsan-tononkalo no nifampizarana teto. Afaka nandray anjara tamin’ny hetsika avokoa ny rehetra.