Manoloana ny fandalovan’ny andro ratsy tany amin’ny distrikan’ny Mahanoro dia efa nandray ny andraikiny ny fanjakana hoy ny jeneraly Gabriel Ramanantsoa, tale miandraikitra ny « Patrimoine » sy ny fitantanan-draharaha ao amin’ny BNGRC. Efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny kere any atsimo ihany koa ity sampan-draharaha ity.













