Ankoay, vao efa-taona monja dia efa nanana ny talenta « mikabary » izay nolovainy tamin’ny fianakaviany. Tsy nisy fianarana manokana narahiny momban’ny kabary. Ny fifaneraserana tamin’ny olona maro sy ny fizarana tany an-tsekoly no nampitombo tsikelikely ny traikefa. « Talenta ny kabary fa tsy fitadiavam-bola ».













