Miisa 28 715 ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE, ny talata 27 aogositra 2019 ho avy izao. Nisy fihenana ny isan’ny mpiadina raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Raha ny nambaran’ny lehiben’ny Circonscription scolaire d’Antananarivo-Renivohitra (CISCO) dia efa tomombana tsara avokoa ny fandaminana ny hiatrehana izany fanadinana izany.













