ANTENIMIERAM-PIRENENA – Tokony hiresaka kokoa momba ny Covid ny minisitry ny Fahasalamana hoy ny solombavambahoaka

Tsy nivalampatra firy tamin’ny fitantanan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny ady amin’ny valan’aretina Covid-19 ny minisitra Ahmad Ahmad nandritra ny tatitra nataony manoloana ny solombavambahoaka ny alakamisy teo. Nanamarika ny solombavambahoaka voafidy tany fa tokony hiteny izy amin’ny maha-tekinisianina azy.