Endrika iray mampiorina ny demokrasia ny fisian’ny antoko mpanohitra. Hoan’i Madagasikara dia mbola tsy mitoetra mazava ny sata mifehy ny fanoherana. Notsipihan’i Fabergé Gabriel Mamitiana, senatera avy amin’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) fa « tsy tokony hiandry ny fisian’ny mpanohitra ny fanarahan-dalàna. Noho izay dia hijoro ho arofanina ny antoko izay misy azy.
Nanambara kosa i Rinah Rakotomanga, talen’ny serasera ao amin’ny fiadidina ny Repoblika, ny 19 febroary teny Antanimena fa « ilaina tokoa ny fisian’ny mpanohitra saingy tsy atao bontolo »