BAOLINA KITRA : LALAO IRAISAM-PIRENENA, MBOLA MILA EZAKA NY FANDAMINANA EO MAHAMASINA – Efa mihatsara ny lamina amin’ny fampidirina olona etsy amin’ny kianjan’ny Mahamasina. Hita izany nandritra ny lalao nihaonan’i Madagasikara sy Etiopia farany teo. Niaiky anefa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, Raoul Arizaka Rabekoto, fa mbola maro ireo lesoka tokony harenina raha tsy hilaza afatsy ny kianja sy ireo tapakila hosoka maro.
Raoul Arizaka Rabekoto – Filohan’ny FMF