Raha mbola boribory koa ny baolina, dia tsy very ny fanantenany. Sady mino ny mpanohana Barea fa hibata fandresena ny ekipam-pirenena malagasy manoloana ny ekipan’i Niger, no mbola manantena fa hahazo fandresena manoloana ny Etiopianina ny Ivoarianina. Misy ny finoana, be ny fanantenana, ny fitiavana efa miboiboika rahateo.














