Antananarivo, 21 Febroary, 2ora07 – Niova ny ekipa mitarika ao amin’ny Vondron-tarika Atsimo amin’ny fifaninanam-pirenena Pro League amin’ny baolina kitra. Mitarika vonjimaika indray ny CFFA izay manana isa 17 taorian’ny nandreseny ny Zanakala FC (1-0) ny sabotsy teo. Manatombo isa roa amin’ny Disciples FC ity ekipan’ny kaominina Andoharanofotsy ity. Ny Disciples FC izay tsy nahavita afa-tsy ady sahala manoloana ny Dato FC.
Mijanona ho fahatelo eo amin’ny filaharan’ny Vondron-tarika ny Dato FC. Manaraka azy ny Elgeco Plus izay azo lazaina fa tafaverina anaty fifaninana rehefa nibata fandresena manoloana ny Mama FCA (2-0). Isa efatra sisa no manelanelana ny ekipa volom-boasary izay mbola tokona hanana lalao roa amboniny amin’ny CFFA.
Nivarina any amin’ny laharana fahadimy kosa ny Mama FCA rehefa resy in-droa nifanesy taorian’ny andro fahasivy raha toa ka tany amin’ny laharana voalohany no nisy azy taorian’ny andro fahadimy. Manalavitra ny fahafahana milalao ny dingana Play-offs ry zareo Zanakala FC, laharana fahenina miaraka amin’ny isa sivy.
Efa tsy heverina hanana reziky ho tafiditra mihitsy ao anatin’io dingana play-off mihitsy io intsony kosa ny ekipa roa avy any Toliara. Tsy manana afa-tsy isa enina ny 3FB izay fahafito miaraka, ary isa efatra kosa ny an’ny JFC izay farany ao amin’ny vondron-tarika.
Efa sarotra azo kosa ny Fosa Juniors ao amin’ny vondron-tarika avaratra. Miroso hatrany mankany amin’ny dingana play-off ity ekipan’i Mahajanga ity. Isa valo no manelanelana azy amin’ny ekipa laharana faharoa taorian’ny nibatany fandresena manoloana ny Uscafoot (3-1).
Mbola mafy ny ady ho amin’ny laharana faharoa ao amin’ity vondron-tarika ity. Nahazo tombony ny Cosfa taorian’ny nandreseny ny ekipan’ny Five FC (2-1) sy taorian’ny ady sahala nifanaovan’ny AS Fanalamanga sy ny Jet Kintana (3-3). Isa 15 araka izany ny an’ny ekipan’ny miaramila raha toa ka isa 14 ny an’ny AS Fanalamanga.
Sarotsarotra kosa ny toerana misy ny Ajesaia. Mbola resy indray ny ekipan’Antaninkatsaka raha nihaona tamin’ny Tia Kitra (2-1). Any amin’ny laharana fahadimy sisa araka izany Ajesaia sy ny isa 10-ny raha toa ka tafiakatra any amin’ny laharana fahenina ny Tia Kitra manana isa sivy. Ny Five FC no mitana ny laharana farany ao amin’ny vondron-tarika avaratra, isa enina, aorian’ny Jet Kintana manana isa valo.














