Eugène Rakotondrazafy, lehilahy 62 taona no sempotra ka nitsirara teo anoloan’ny toeram-pivarotam-panafody iray teny Ankazomanga androany alatsinainy maraina. Tao aorian’ny fitsirihana voalohany nataon’ny avy ao amin’ny Foibem-pibaikoana miady amin’ny Coronavirus dia nalefa eny amin’ny toeram-pitsaboana eny Andohotapenaka avy hatrany ilay raim-pianakaviana.













