CORONAVIRUS : Mandalo fotoan-tsarotra ireo trano fisakafoanana.

Anatin’ny ady sarotra tokoa ireo trano fisakafoanana eto an-drenivohitra. Mitaraina amin’ny fihenan’ireo mpanjifa izy ireo kanefa tsy maintsy manaraka ireo lamina sy fepetra napetraky ny fanjakana.