Olona 56 tamin’ireo 59 nifanerasera tamina mpampiofana voamarina fa mitondra coronavirus no nanaovana fitiliana any Brickaville. Eo am-piandrasana ny valin’ny fitiliana dia efa natoka-monina izy rehetra ireo. Na izany na tsy izany, miahiahy fatratra ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana.












