FAHALALAM-POMBA SY FAHAIZA-MIAINA : Torolalana hoan’ny ankizy
Dieny mbola kely dia tsara ampianatra ny ankizy ny fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina, mba ho lasa olom-banona rehefa ao aoriana. Izany indrindra no nahatonga an’i Marie Michèle Rakotoanosy sy Max Razafindrainibe hanoratra ity boky kely ity, izay natao hoan’ny raimandreny sy ny zanaka, ary ny mpampianatra ihany koa.