Fahaleovantena ara-tsakafo : mizotra araka ny tokony ho izy ny ezaka
Velirano faha-9 nataon’ny filohan’ny Repoblika ny fanjariana ara-tsakafo. Ny fanitarana ny toeram-pambolena hatraminíny 100 000 ha ao anatin’ny dimy taona no fanamby napetrany. Nanao tomban’ezaka ireo zavabita mahakasika ny fanatratrarana io tanjona io ny ministry ny Fambolena, ny fiompiana ary ny jono, Lucien Ranarivelo, nandritra ny atrikasa iray tetsy Anosy.