Milamina amin’ny ankapobeny ny fandraisana sy fikarakarana marary eto amin’ny Centre Hospitalier Universitaire (CHU) Joseph Raseta Befelatanana, na dia eo aza ny amehana ara-pahasalamana. Ampy tsara ny fanafody, ary mandray ireo fepetra rehetra napetrakin’ny fanjakana ny hopitaly mba tsy hiparitahan’ny aretina covid-19.













