FAHASALAMAM-BAHOAKA : Omena tosika ara-tsaina ireo mpitsabo ao Toamasina

Mandalo ady sarotra ireo mpitsabo any Toamasina, noho ny fahasarotan’ny asan’izy ireo. Manoloana izany, dia nilaza ny Dr Eric Andrianasolo, filohan’ny Olafitry ny mpitsabo eto Madagasikara, fa hisy ny fanohanana ara-tsaina na « soutien psychologique » omena azy ireo, mba hahafahany manatontosa ny asany an-tsakany sy an-davany.