24/05/2019 Nanao tatitra ny fanaraha-maso nataony nandritra ny fampielezan-kevitra ny fiarahamonim-pirenena tamin’ny alalan’ny ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana (Safidy). Maro ireo tsy fanarahan-dalana tsikaritra hoy ny mpiandraikitra ara-teknika, Marie Stella Razanamahefa. Tao aminin’ireo distrika 48 manaovana fanarahamaso dia nisy ireo kandidà izay niharan’ny tsindry sy fandrahonana.













