Heverin’ny minisitera misahana ny Fanabeazana ampidirina eny anivon’ny Antenimiera roa tonta amin’ny fotoam-pivorian’izy ireo manaraka izao ny lalàna mifehy ny seha-panabeazana eto Madagasikara. Maromaro ireo fanovana entin’izany lalàna izany araka ny fanazavana omen’i Marie Michelle Sahondrarimalala, minisitry ny Fanabeazam-pirenena.














