Notazomin’ny fitondram-panjakana ny tetiandrom-pampianarana mampanomboka ny taom-pianarana amin’ny volana Septamba sy mamarana izany amin’ny volana Jona. Raha ny amin’ny taom-pianarana 2022-2023 dia ny 5 Septambra 2022 no hanomboka ary ny 23 Jona 2023 no hifarana. 36 herinandro ny faharetan’ny taona, ary 900 ora no fenoina. Misy ny ambin’ora azo hamenoana ny banga raha toa ka tsy maintsy hisy ny fanapahana noho ny antony manokana, hoy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.














