Nihena tsy toy ny mahazatra ny tsenan’ireo mpivarotra entana fanao fanomezana ho an’ny Fetin’ny reny. Efa tazana mirantiranty eny amin’ireo toeram-pivarotana ny karazan-javatra azo atolotra ny reny ho fanamarihana ny fetiny, saingy tsy tena mbola rototra ireo mpanjifa.














