Ny efatra aprily izao no hanao fanambarana ny filoham-pirenena ny amin’ny fanapahan-kevitra iatrehana ny valan’aretina coronavirus. Noho izay dia mbola mety hitohy ny fikatonan’ireo trano fivavahana rehetra nohon’ny tsy fahafahana mamory olona. Hoan’ireo mpino kristiana dia afaka herinandro dia hankalaza ny Paska izy ireo. Nanao fanambarana noho izany ny filohan’ny Fiangonana loterana malagasy na FLM ny pastora David Rakotonirina ny amin’ny mety hiemoran’ny fankalazana ny Paska.