Hipoka olona teny amin’ny lalam-baovao, « Rocade-n’Iarivo ». Rakotra olona teny Analakely, teo amin’ny Araben’ny Fahaleovan-tena. Ny teny an-tanàna tsirairay teny moa dia naresaka aoka izany. Efa ela tsy nifety ny Malagasy ka na tsy nisy aza ny « podium » mahazatra nokarakarain’ny fitondram-panjakana dia nivoaka nilanonana ny olona. Tahaka ny hoe nanenjika sy nanonitra ilay fety tsy nisy tamin’ny taon-dasa. Na ny ankizikely na ny tanora na ny olon-dehibe, niaraka nirohotra nivoaka avokoa. Tahaka ny hoe niafina izany ny tsimokaretina coronavirus. Noroahin’ny hazavana mamirapiratra nentin’ny jiro fotsy mena maitso nandravaka an’Antananarivo, noroahin’ny labozia mirehitra anaty harendrina taratasy, noroahin’ny « lazera » maro loko vita sinoa amin’ny endrika maro, noroahin’ny feon-kira « let it go » (« lerigo » hoy ny ankizy) kentsona mihiaka fa « afaka, votsotra » (« libéré, délivré »). Ny zoma mahafinaritra an’Antananarivo talohan’ny « Vainty Sisy » anaty horonan-tsary.














