Fanatatra fa ho tanterahina eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ny matso lehibe fanao ao anatn’ny fankalazana ny tsingerintaona faha-60-n’ny Tafika malagasy sy ny fetin’ny fahaleovantaona. Tsy maintsy hisy araka izany ny fandaminana eny an-toerana mahakasika ny tsena mba hahafahana manomana sy manatanteraka ny lanonana amin’ny an-tsakany sy ny an-davany. Nanambara ny lehiben’ny tsena eto Antananarivo Renivohitra fa tsy maintsy hatsahatra avokoa ireo tsena rehetra eny Analakely sy ny manodidina ny 24 sy ny 25 jona.













