Isan’ireo vina napetraky ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ny famerenana an’i Madagasikara ho nosy maitso. Isan’ny fomba hahatrarana izany ny fialana amin’ny fampiasana arina na saribao, izay miteraka fahapotehana ala aman’hektara maro isan-taona. Mbola vitsy nefa ny malagasy no afaka mampiasa sy mahatakatra ireo angovo hafa.












