FIFIDIANANA AMIN’NY AMPAHANY – Efa vonona ny fanjakana
Tianarivelo Razafimahefa, minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjarampahefana
« Vonona amin’ny fanatanterahana ireo fifidianana amin’ny ampahany ny fanjakana ». Io no nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa taorian’ny fanafoanan’ny « Tribunal Administratif », ny vokatra tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna tamin’ny kaominina sasantsasany.