2424.mgArticles similaires
Noho ny fisian’ireo kandidà ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna nindaosin’ny fahafatesana dia tsikaritra ny fahabangan’ny lalàna. Nanazava ny filohan’ny Fitsarana avo momban’ny Lalampanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa, ny 07 oktobra teny Tsaralalànana nandritra ny fotoana fanokafana ny fanofanana ireo mpitsara eo anivon’ny filakevim-panjakana sy ireo misahana ny ady amin’ny fanjakana, fa tsy maintsy fenoina ireo banga ireo mba ahafahana manatanteraka ny fifidianana.













