Fifidianana ben’ny tanàna – Tonga namita ny adidiny amin’ny maha olom-pirenena azy teny amin’ny birao fandatsaham-bato teny Ambatobe ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny vadiny anio maraina. Nilaza izy tamin’izany fa zava-dehibe ary hamaritra ny hoavin’ny tanàna rehetra manerana ny nosy izany fifidianana izany.













