FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA

Raha nahatsikaritra tsy fanarahan-dalàna ireo kandidà na ny olom-pirenena tsotra, hoy ny mpiandraikitra ara-teknikan’ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana (Safidy), Stella Razanamahefa, dia tokony hanaraka ireo fenitra voafaritry ny lalàna mahakasika ny fitoriana. Miantso ny tsirairay ho tony hatrany ny Safidy eo am-piandrasana ny voka-pifidianana.