Na ny Fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana (HCC), na ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) dia mbola samy mbola misy ezaka tokony atao mba ahafahana mikarakara fifidianana madio sy mangarahara. Izay no nambaran’ny Stella Razanamahefa, avy ao amin’ny ivontoerana Sampana anarahamaso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), ny 11 jolay teny Ambatonakanga.
Mahakasika ireo solombavambahoaka voafidy kosa dia notsindrian’ny Hery Rason fa noho ny 70 isan-jaton’izireo lany tamin’ny taham-pahavitriana latsaka ny 20% dia tokony hanatsara ny fahitan’ny olom-pirenena azy ireo ami’ny alalan’ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.













